Sabotsy Namehana: Efa misy ny “cyclo-pousse” mitatitra olona eny amin’ny lalana Antsofonondry
Efa misy ny cyclo-pousse, mpitatitra olona ao amin’ny lalana rarivato, mampitohy ny kaominina Sabotsy Namehana, amin’ny Ivato amin’izao fotoana. efa ela no niandrasan’ny mponina izany fitaovam-pitaterana izany, araka ny voalaza.
“Tena mety tokoa ny fametrahana ity fitaovam-pitaterana iray ity. Efa leo ny ataon’ireo fiara mpitatitra, amin’ny tsy fanajana ny mpandeha sy ny familafilana isan-karazany ny mponina ka vahaolana mety sy mifanaraka amin’ny olana misy tokoa izao” hoy i Landry, mponina ao Sabotsy Namehana.
“Anisan’ny lalana miteraka olana ho an’ny mpampiasa lalana foana ity lalana Antsofonondry ity. Teo aloha ny fahasimban’ny rarivato, eo ny ataon’ireo fiara mpitatitra olona. Mila manara-maso sy mandray fepetra ihany ny tomponadraikitra amin’ny fametrahana izao fitaovam-pitaterana vaovao izao ho fisorahana ireo olana hafa mety hitranga” hoy i Daniel, mpitondra fiara.
Manomboka amin’ny 1000ariary ka hatramin’ny 2000ariary eo moa ny saran-dalana ho an’ity fitaovam-pitaterana ity, izay manomboka eo Antsofonondry mankany Tsarasaotra.
