ActualitésTsidika

Alasora: Mazava ny tanàna ao Mahatsinjo

Nahazo hazavana ny tanàna ao amin’ny fokontany Mahatsinjo Alasora. Tonga nijery ireo asa vita tao an-toerana, ny tomponandraikitra mitantana ny kaominina, ny herinandro lasa teo.

“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanàna. Tao anatin’ny fametrahana izany moa dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny jirama. Entanina ny mponina anefa mba hikolokolo sy ho sarotiny amin’ny fiarovana ireny fananana iombonana ireny” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Raha ny fokontany Mahatsinjo dia azo lazaina ho fokontany milamina, lavitra ny korontana. Hisaorana ny tomponandraikitra tsy nanadino amin’ny asa fampandrosoana tahaka izao, dia ny fametraha ireo jiro manazava ny tanàna. Afaka nanao fety ampilaminana ny vahoaka” hoy i Solo, mponina ao Mahatsinjo.

Ankoatra ny fametrahana jiro manazava ny tanàna tao amin’ny fokontany ity moa, dia anisan’ny nahazo famatsiana rano fisotro madio ihany koa ny mponina.

Laisser un commentaire