ActualitésTsidika

DRSP ATSINANANA/ FIP

ADY AMIN’NY ASAN-JIOLAHY: MPAMAKY TRANO MITAM-PIADIANA ROA LAHY LAVON’NY POLISY ARY ROA HAFA AZO SAMBO-BELONA TAO TOAMASINA

Tao aorian’ny fahazoana angom-baovao ny amin’ny fisian’adian-jiolahy mpanao fanafihana sy mpamaky trano manodidina ny tananan’ ny Toamasina dia nanao ny vela-pandrika ny Polisy miasa amin’ny FIP ny alahady 10 desambra teo.

Fantatra fa niafina tao Tanamborizano, ireto olon-dratsy ireto ka nidina teny an-toerana ny Polisy ary niroso tamin’ny fisamborana. Tsy nanaiky ny fampitandremana nataon’ny mpitandro filaminana anefa ireto jiolahy ireto ary namaly tamin’ny antsy lava ka voatery nitifitra ny Polisy. Maty tamin’izany ny jiolahy miisa 2 raha roa hafa kosa azo sambo-belona.

Nahitana ody gasy sy moara , ? antsy lava ary ? fitaovana fampiasa amin’ny famakiana trano teny amin’izy ireo.

Mbola karohina kosa ireo naman’izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana ireo roa lahy azo sambo-belona.

Laisser un commentaire