ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Manao ezaka amin’ny fanalana ireo fako

Taorian’ny fitarainana sy ny antso avo nataon’ny mponina mahakasika ny fivangoan’ny fako eny amin’ny fokontany maro, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, dia nandray andraikitra avy hatrany ireo tompondraikitra. Niroso tamin’ny fanalana ireo fako miparitaka ary nitondra fanentanana ny mponina ireto farany, ny alarobia teo.

“Anisan’ireo vaindohan-draharaha eto amin’ny Kaominina ny fanala ny fako eny amin’ireny toerana natokana ho amin’izany ary ezahina mandrakariva ny maka ny fako ara-potoana sy mamaha ny olana mahakasika izany ary efa an-dalam-panamboarana ireo fiarabe fitanterana fako izay misy fahasimbana” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina

“Tsy mikely soroka anefa fa miasa fito andro amin’ny fito andro ireo ekipa tomponadraikitra voakasika izany. Isika kosa dia entananina hatrany, indrindra ireo mpiavarotra voankazo amin’izao vanim-potoana fiakaran’ny « letchis » izao mba tsy hanaparitaka ny fako fa handray ny anjara andraikitra amin’ny fanajana ny fahadiovan’ny tanàna” hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana mahabetsaka ny fako izao fotoana fiakaran’ny voankazo izao, mila mahatsapa tena araka izany ny tsirairay mba ho fitandroana ny fahadiovana. Tsy tokony hiandry ny tomponandraikitra hanentana sy hanala ny fako vao hadio ny tanàna.

Laisser un commentaire