ActualitésSportTsidika

Alasora: Hisy ny tournoi isaky ny sabotsy ao amin’ny stade kaominaly

Mikarakara lalao fifaninanana baolina kitra ho an’ny latsaky ny 17taona, lalaovin’olona sivy ny ao amin’ny kaominina Alasora. Mandritra ny volana desambra dia hisy ny tournoi, natao ho an’ity sokajy ity, atao ao amin’ny Stade kaominaly Ambohidrazaka.

“Manomboka ny 02 Décembre 2023, isaky ny sabotsy, mandritry ny volana Desambra 2023, hisy ny tournoi du maire ho an’ny sokajy U17, lalaovin’olona sivy. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo klioba rehetra eto amin’ny kaominina ka te handray anjara amin’izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Hisaorana hatrany ny kaominina amin’ny fijerena ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Anisan’ny tena ilain’ireo zandry kely vao misondrotra ny fifaninanana tahaka izao, ahafahany mampitombo traikefa sy fahaiza-manao ao anatin’ny baolina kitra” hoy i Njiva, mpitarika klioba.

Hisy moa ny fivoriana ho tanterahina ny alarobia 28 Novambra izao, ao amin’ny efitranon’ny kaominina. Mandritra izany no hanaovana ny fisarihana ny sojaky, raha ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire