Seychelles : Hanamafy ny fepetra hiadiana amin’ny fako plastika ny nosy
Maniry ny hanamafy ny ady amin’ny fako plastika ny nosy Seychelles. Raha tsiahivina dia mandroso ny fanatanterahana izany fikasana izany ao an-toerana. Nanomboka ny taona 2017 dia efa voarara ny fanafarana harona, fitaovana fasiana sakafo sy ny boaty plastika tao amin’ny nosy. Nanomboka ny taona 2019 kosa dia tsy maintsy natao taratasy na vy ny « paille » fisotroana zava-pisotro ary ny taona 2021 dia voarara ny « ballons ».
Mbola hanamafy ny fepetra ny nosy raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena tao Paris ny herinandro lasa teo. Tanjon’izy ireo amin’izany ny ady fampihenana ny fampiasana tavoahangy ary fonon-javatra samihafa vita amin’ny plastika. Sarotsarotra nefa ny hanatanteraka izany manoloana ny maha mpanafatra entana an’i Seychelles hoy ny minisitry ny tontolo iainana tao an-toerana.
