ActualitésTsidika

Anosy Avaratra: Hiasa tsy ho ela ireo fiara vaovao fitaomana ny fako

Hiasa tsy ho ela intsony ireo fiara lehibe vaovao ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Natao indrindra hamahana ny olana eo amin’ny fitantanana sy fako sy ny fahadiovana ao an-toerana izany, araka ny voalaza.

“Voaray avokoa ireny fitarainana nataotsika ireny mahakasika ny fitobahan’ny fako ary nikaroka vahaolana ihany ny ben’ny tanana hamahana izany. Efa hadiva hiasa tsy ho ela araka izany ny fiara vaovao izay an’ny kaominina entina manao izany asa izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Mila ezaka tokoa ny fandaminana sy ny fitantanana ny fako eto amin’ny kaominina. Tsy fokontany iray sy roa ihany no mila handraisana fepetra anefa manoloana izany fa mila asesy ary mila paik’ady maharitra avy amin’ny tomponandraikitra mba hilaminan’izany satria ny fako dia sady manaratsy endrika ny tanàna no miteraka olana eo amin’ny mponina” hoy i Vony, mponina ao Anosy Avaratra.

Anisan’ny olana lehibe sedrain’ny kaominina ny tsy fahampian’ny fitaovana fitaterana fako. Manoloana izany, maro ireo fako mivangongo sy tsy voaala ara-potoana ka mahatonga ny fimenomenomana sy fitarainana eo amin’ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire