PolitiqueTatitra

OTAN : Iza avy ireo firenena mivondrona ao ?

Ny OTAN na « Organisation du traité de l’Atlantique nord » dia fikambanana ara-politika-miaramila napetrak’ireo firenena nanao sonia ny fifanarahan’Atlantique Nord mba hahafahany manatontosa ny andraikitra iombonana momba ny filaminana sy ny fiarovana.Niorina tamin’ny taona 1949 ny OTAN, firenena 12 no nivondrona nira-namorona azy tamin’izany, Belgique, Canada, Danemark, États-Unis, France, Islande, Italie, Luxembourg, Norvège, Pays-Bas, Portugal ary Royaume-Uni.Tafiakatra 30 kosa ny mpikambana ao amin’ny OTAN amizan’izao fotoana, misy an’i Grèce sy Turquie (1952), Allemagne (1955), Espagne (1982), République tchèque, Hongrie sy Pologne (1999), Bulgarie, Estonie, Lettonie, Lituanie, Roumanie, Slovaquie, Slovénie (2004), Albanie, Croatie (2009), Monténégro (2017) ary Macédoine du nord (2020) izany.Misy andraikitra 10 sahanin’ny OTAN, fiarovana iombonana, fitantanana ny krizy eran-tany, fiadiana amin’ny fampihorohoroana, fiaraha-miasa, fampitaovana, « structure de commandement », famatsiam-bola, fampiasam-bola ara-poarovana, « politique de la porte ouverte » ary fiarovana an-jotra.Tsy ao anatin’ny OTAN i Ukraine.

Laisser un commentaire