Alasora: Nosantarina tamin’ny lalao baolina kitra goavana ny kianja vaovao ao Ambohidrazaka
Vita soa aman-tsara ny fanamboarana ny kianja synthétique vaovao ao Ambohidrazaka kaominina Alasora. Efa azo ampiasaina sy handraisana lalao izany kianja vaovao izany. Ny faran’ny herinandro teo, tomefy olona hatrany tao an-toerana nijery ireo lalao baolina kitra goavana izay nokarakarain’ny kaominina ho fisantarana izany.
“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina, ho fanomezana lanja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena dia vita soa aman-tsara ny kianja synthétique Ambohidrazaka. Hita taratra tokoa ny fiovana ary ny fampivoarana hatrany ny ireo taranja ara-panatanjahan-tena dia tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny kaominina. Ankehitriny izany dia afaka mandray ireo fifaninanana isan-karazany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Tena tsara ny kianja vaovao. Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra nahavita izany sy manome lanja ny fanatanjahan-tena satria tena mendrika tokoa. Ny tanora eto an-toerana izay anisan’ny mana-talenta ary misongadina raha eto amin’ny distrika. Ny fanentanana ny rehetra amin’ny fikojana sy ny fanajana ny foto-drafitr’asa dia tokony hamafisina manaraka izany satria dia soa iombonana izy itony” hoy i Jackie, mpanao baolina.
Faly ireo mponina ao Alasora nahazo kianja izao vaovao izao. hita taratra ihany koa fa anisan’ny mpankafy ny taranja baolina kitra ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Ny tomponandraikitra moa dia manentana ao anatin’izany mba samy ho sarotiny, ka hanaja ny fananana iombonana ny tsirairay mba haharitra sy ho lovain-jafy.
Manitra R.
