Alasora : Handray anjara amin’ny festival du film en poche andiany fahaenina
Ho avy tsy ho ela ny andiany fahaenina amin’ny hetsika « Festival du film en poche », izay handraisan’ny kaominina Alasora anjara. Any Carry-le-Rouet any Frantsa moa no hanaovana ity hetsika ity, araka ny voalaza.
« Tahaka ny fanao isan-taona dia mandray anjara amin’ny hetsika festival du film en poche ny kaominina eto Alasora. Ireo ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra EPP sy CEG Alasora no handray anjara mandritra izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitry ny kaominina.
« Zava-dehibe hatrany ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao. Hisaorana ny kaominina amin’ny ezaka ka hanasongadinana hatrany ny mpianatra sy ny ankizy avy eo an-toerana, mitondra avo izany tanàna izany » hoy i Tefy, mponina ao Alasora.
Marihina moa fa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Carry-le-Rouet France sy ny kaominina Alasora, ka mahatonga ny fandraisana anjara amin’ny sehatra maro sy fifanohanana isan-karazany. « Ankizy, Adolatsento, inona avy ireo zoko ? » izany moa no loha-hevitra amin’ity andiany faha enina ity.
Manitra R.
