Canada : Noafahana madiodio amin’ny fiampangana azy ilay mpiandraikitra ao amin’ny Huawei
Nanambara ny mpisolo vava an’i Meng Wanzhou, mpiandraikitra iray ao amin’ny orinasa Huawei nandritra ny 3 androm-pitsarana azy teo anivon’ny fitsarana ambony tao Colombie-Britannique fa tsy meloka velively ny mpanjifany. Tsy misy hifandraisany amin’ny Etats-Unis mivantana hoy izy ilay toe-javatra hiampangana an-dramatoa Wanzhou. Raha tsiahivina, helohin’ny Etats-Unis ho nandainga tamina mpiandraikitra iray tao amin’ny banky HSBC i ramatoa Meng Wanzhou ny taona 2013 mahakasika ny fifandraisan’ny orinasa Huawei sy ny sampana mpivarotra fitaovana iray any Iran. Ny taona 2018 no nosamborina teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Vancouver i ramatoa Wanzhou. Nambaran’ny mpisolo vavan’ity mpiandraikitra ambony ao amin’ny orinasa Huawei ity hatrany fa tsy mitombina ny fiampangana an-dramatoa Wanzhou ary tsy misy porofo manamarina fa mifandray mivantana amin’i Etats-Unis ny fanambarana nataony tany Hong Kong ny taona 2013 raha tena nisy tokoa izany. Haverina ny 26 aprily ho avy izao araka izany ny fitsarana “extradition” an-dramatoa Wanzhou ka hifarana amin’ny tapaky ny volana may izany.
