ActualitésTsidika

Tsena maintso: 100% ny fati-antoka ho an’ireo niharam-boina

May tanteraka ny trano hazo teny amin’ny rano maimbo sy ny tao amin’ny tsena maintso ny zoma hifoha ny sabotsy teo. May tsy nisy azo noraisina ny tsena sy ny entana tao anatiny. Olona aman-jatony no niditra fati-antoka 100% vokatr’izany. 90% ny trano hazo teny an-toerana no simba tanteraka.

“Afo kely no nirehitra tamin’ny trano hazo anakiray; fotoana kely nangalana rano teo amin’ny ranomaimbo hamonoana azy enefa efa nihitatra be ilay afo. Tsy tana intsony ny afo ka lasa nihitatra teny amin’ny tsena Maintso.” Hoy i Ravao, renim-pianakaviana.

“Efa mandeha ny fanampiana sy ny fanohanana ireo niaram-boina. Namoraina ny fikarakarana ny taratasy rehetra momba ny varotra; maro tamin’ireo antotan-taratasy momba ny tsena no may kila tao nandritra ny loza. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ny fototra niavian’ny afo sy izay mety ho tompon’antoka” hoy ireo tompon’andraikitra.

Efa nihitatra ny afo vao tonga ny mpamonjy voina. Tamin’ny 08 ora maraina ny sabotsy vao maty tanteraka ny afo. 

Laisser un commentaire