Toetry ny andro eto Andrenivohitra
12 oktobra 2023; ahitana fiakarana mihoapampana ny marimpàna eto amin’ny faritra Analamanga anio. Araka ny fanambarana avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Famantarana ny Toetrandro Analamanga sy ny vinavina ny mety ho toetry ny andro. Hiakatra ambony ny marimpana ho an’ireto faritra ireto: Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano Andramasina, Ankazobe Anjozorobe, Ambohidratrimo, Manjakandriana. Hidina kosa izany hafanana izany ny zoma 13 oktobra 2023 noho ny fisian’ny orana arahin-kotroka ny tolakandro. Ilaina ny misotro rano betsaka mandritra izao andro mafana izao.
