DépêchesTsidika

Ambatolampy: Tratra i vazahakely, boyka ary rasta.

Mpamaky trano vao avy nivoaka ny fonja i Vazahakely, Boyka ary Rasta. Tratran’ny mpitandro filaminana teo ampanaovana ny asa ratsiny izy telo lahy ireto ny 04 oktobra. Teo ampangalarana kisoa izy ireo no tratra. Rehefa natao ny fisavana dia nahitana rongony 47 fonosana tany amin’ny Rasta. Marihina moa fa isan’ireo mpangalatra mpameri-keliko any Ambatolampy izy telo lahy ireto.

Laisser un commentaire