Ankadikely Ilafy: Hiatrika ny lalao famaranana amin’ny “tournoi inter-communal Basket-ball” ny sokajy vehivavy
Tonga amin’ny lalao famaranana ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena eo amin’ny taranja basket-ball, hiadian’ireo kaominina eto amin’ny distrika Avaradrano. Amin’ny sabotsy 07 oktobra izao no hanatanterahana izany ary kaominina efatra no hiady izany amboaran’ny distrika izany, eo amin’ny sokajy lahy sy vavy.
“Manasa ny rehetra ho avy hanohana ny ekipantsika tsirairay avy amin’ny sabotsy izao. Izy ireo izay mila fanohanana sy fankaherezana avy amintsika, hiaro ny voninahitry ny Kaominina niaviany izy ireo ao anatin’izao lalao inter communal izao” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Efa nanome ny tsara hatrany ny ekipa nandritra ireo lalao izay natao, vokany izao hiatraika ny famaranana izao. Tsy mora anefa ny nahatongavana tamin’izany ary ity famaranana ity ihany koa dia mbola ady mafy ka izany no ilàna ny fanohanana avy amintsika rehetra” hoy i Sarobidy, mpilalao.
Eo amin’ny sokajy vehivavy moa dia ny ekipan’ny Basket CRAI avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ekipan’ny kaominina Ambohimangakely no hiatrika izany famaranana izany. Hanomboka amin’ny 01ora sy sasany ny lalao, ary atao eny amin’ny kianja Palais des Sports Andralanitra Akamasoa.
Manitra R.
