Nouvelle Zélande : Tsy afaka hilalao baolina lavalava i Sam Cane
Nanambara ny kapitenin’ny ekipa mpilalao baolina lavalava ao Nouvelle Zélande, Sam Cane, fa tsy afaka manatanteraka lalao mandritran’ny enim-bolana farafahakeliny. Voatery hitsabo tena izy nohon’ny fahavoazana teo amin’ny hozatra izay nahazo azy azy. Nanery azy handao ny lalao iraisam-pirenena sy ny taranja Rugby io faharatrany io. Nandritran’ny lalao niadiana ho tompondakan’i Nouvelle Zélande ny asabotsy 27 martsa lasa teo no naratra i Cane, rehefa nahazo ny fandresena. Tsy maintsy hiatrika fandidina ity lehilahy 29 taona ity amin’ny herinandro ambony. Hivoaka mandritra ny fotoana kelikely aho, antenaiko tsy mihoatra ny enim-bolana, » hoy ilay mpilalao, izay efa nijaly tamin’n aretina hafa hatramin’izay, izay nanakana azy tsy hilalao efa ho herintaona, ary koa ny fikorontanana maro. »Diso fanantenana aho, saingy tena resy lahatra aho fa ny fandidiana no vahaolana tsara indrindra. Tsy andriko ny hanombohana ny fahasitranako aorian’izay ary mampanantena aho fa hanao izay tsara indrindra vitako, ka azoko antoka fa ho tafaverina am-pilaminana tanteraka. « , hoy ihany izy
