SocialTatitra

Europe : Nanambara ny fitarazoan’ny fanaovam-baksiny ao ny OMS

Naneho hevitra momban’ny vaksiny ao Eropa ny fikambanana iraisam-pirenena ny alakamisy 01 aprily teo. Nilaza izy ireo fa mitarazoka loatra ny fanaovam-baksiny ao amin’ny firenena Eropeanina ka mahatonga ny tahan’ny olona marary be loatra. Manalava ny areti-mifindra ny fahaelan’ny vaksiny, miteraka fahafaham-baraka ho an’ny eropeanina eo anatrehan’ny fikambanana iraisam-pirenena ihany koa izao fahaelan’ny vaksiny izao. Nanamafy ihany koa ny OMS fa nitombo be tato anatin’ny dimy herinandro ny isan’ireo tranga vaovoa tany Eropa. Ny vaksiny no làlana tsara hivoahana amin’ny areti-mandringana. Tsy vitan’ny hoe miasa izy ireo, fa tena mandaitra koa amin’ny famerana ny otrikaretina. Na izany aza, miadana tsy azo ekena ny fametrahana ireo vaksiny ireo, hoy ny talen’ny OMS ao Europe, Hans Kluge, raha nanao fanambarana an-gazety.

Laisser un commentaire