Ambohimangakely: Tsy ampy ny fanentanana tamin’ny fiantsoana mpilalao fifaninanana Basket Intercommunal
Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana ara-panatanjahantena iraisan’ny kaominina ato amin’ny distrika Avaradrano, eo amin’ny taranja Basket-ball. Samy naneho ny mahaizy azy ireo ekipa avy any amin’ny kaominina nandritra izany fihaonana voalohany izany. Ho an’ny kaominina Ambohimangakely manokana, tsy ampy ny fanentanana ireo mpilalao, araka ny voalaza.
« Mandray anjara feno ny kaominina amin’ny fifaninanana izay atao eo amin’ny distrika Avaradrano. Manana mpisolo tena avokoa ny sokajy lahy sy vavy ao anatin’izany. Hanentanana ny rehetra hifanohana hatramin’ny farany mba ho reharehan’ny kaominina ireo mpilalao » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Anisan’ny lesoka kely hita sy tsapa tamin’ny fanomanana ity fifaninanana ity, tsy ampy ny fanentanana sy ny fiantsoana mpilalao. Tsy tahaka ny tany amin’ireo kaominina hafa izay nitady ireo mpilalao misongadina mba hisolo tena ny kaominina amin’ny fifaninanana » hoy i Anja, mpitarika klioba.
Raha ny voka-dalao ho an’ny kaominina Ambohimangakely moa nandritra izany, nandresy ny ekipan’i Talata Volonondry tamin’ny isa 37 no 23 ny teo amin’ny sokajy vehivavy. Resin’ny Ankadikely Ilafy tamin’ny salan’isa 37 no 31 kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy.
Manitra R.
