Ambohimangakely : Nanome sehatra ny ankizy tao anatin’ny hetsika Ateliers des vacances
Nanolotra hetsika natokana ho an’ny ankizy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. “Ateliers des vacances”, izay sady nisy kilalao sy fiaraha-mikorana ho an’ny ankizy tao an-toerana no niseho nandritra izany, araka ny voalaza.
“Ao anatin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra izao dia zava-dehibe ny fanomezana vahana ny ankizy. Izany indrindra no nahatonga ny kaominina hanolotra ity atelier ity mba ahafahan’ny ankizy mifampizara sy miara-mikorana amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Eo ihany koa ny fialamboly sy mitarika azy ireo mba ho tia karokaroka fa tsy ho variana foana na fialan-tsasatra aza ny andro” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny zavatra tena ilain’ny ankizy amin’ny fotoam-pialan-tsasatra tahaka izao ny atelier tahaka izao. mahatonga ny sainy ho tia karokaroka kokoa izany ary mampanita-tsaina azy mba ho renoka anatin’ny fialan-tsasatra ny sainy. Hisaorana ny tomponandraikitry nanolotra izany satria ao anatin’ny fitaizana sy fanabeazana tokony omena ny ankizy izany” hoy i Aina, mpilatsaka an-tsitrapo.
Hafaliana sy korana no nameno ny tapak’andron’ireo ankizy nandritra ity hetsika ity. Afa-po avokoa nandritra izany na ireo mpikarakara na ireo ankizy. Mbola maro moa ireo maniry ny hitohizan’izany amin’ny andro hafa.
Manitra R.
