France : Toerana nampiantrano manam-pahasembanana iray no nirehitra tao Wintzenheim
Toerana nampiantrano manam-pahasembanana iray no nirehitra tao Wintzenheim, ao Haut-Rhin ny alarobia teo. Mpamono afo mahery ny 70 no nahetsika tamin’ny famonoana ny afo ary olona 17 no avotra soa aman-tsara tao anatin’izany.
Nandray olon-dehibe manana fahasembanana ara-tsaina maivana avy ao Nancy sy Besançon hiala sasatra ny toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Olona 11 no may tao anatin’ny trano raha ny fanazavana. Ireo tao ambany rihana dia tafavoaka avokoa niampy olona dimy tao ambony rihana raha ny tatitry ny lefitry ny fampanoavana ao an-toerana, Nathalie Kielwasser.
Manoloana ny tranga kosa dia efa misokatra ny fanadihadiana hamaritana ny niandohan’ny afo. Hisy ihany koa ny fanadihadiana ny tompon’ny toerana manoloana ny rafim-piarovana raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra.
