SocialTatitra

Etats-Unis : Mpitovo roa tao Washington voampanga ho namono olona

Mpitovo roa no voampanga ho namono mpanatitra entana iray avy ao amin’ny orinasa Uber Eats ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. 13 sy 15 taona ireto zazalahy ireto ary 66 taona kosa ilay rangahy voatifitra nandritra io tranga io. Raha ny tatitry ny CNN, basim-borona no nentin’izy ireo nandrahonana ka naharatrana mafy ilay rangahy be, Mohammad Anwar, raha saika hangalatra ilay fiarany izy ireo. Nisy ny horonan-tsary nahatsiravina niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera andro vitsy lasa izao maneho ny zava-nitranga tamin’io andro io. Mbola eo ampikarohana ny fototra nandefa ilay horonan-tsary ny manampahefana ao an-toerana amin’izao fotoana. Natomboka avy hatrany kosa ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Mahakasika an’andriamatoa Anwar indray,  nananganana pejy, GoFundMe amin’ny tambazotran-tserasera izy ho fanampiana ny fianakaviany amin’ny fitsaboana.

Laisser un commentaire