JIRAMA: Tapaka nandritry ny filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana manam-pahaizana manokana amin’ny fanarenana .
Nandray fepetra ny avy amin’ny orinasa JIRAMA sy ny fanjakana Malagasy fa handray manam-pahiazana manokana izy ireo hisahana ny fanarenana eo anivon’ny orinasa. Manoloana ny olan’ny JIRAMA amin’ny resaka fahatapahan-jiro lavareny ankehityriny no anisany anatony nandraisana ity fanapahan-kevitra ity.
Araka izany dia nandritra ty filan-kevitry ny Minisitra no nanapahana fa handray manam-pahaizana manokana hisahana ny toeran’ny “Manager de redressement” ity orinasa ity. Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra dia efa nanomboka ny volana Aprily lasa teo ary nifarana ny 24 May ny fandraisana ireo izay ho kandida na avy any ivelany izany na avy eto an-toerana amin’ity andraikitra ity. Mbola hisy kosa ny sivana maro ho lalobvan’ireo kandida ka iray izay mendrika indrindra no handray ity andraikitra ity.
“Manana manam-pahaizana nivoaka avy tamina Oniversite fanta-daza maro isika Malagasy ka antenaina mba ho ny kandida Malagasy no ho mendrika ny sivana rehetra amin’ity asa lehibe iray ity” hoy ny teknisianina iray amin’ny sehatry ny angovo.
Manoloana ity kosa dia naneho ny heviny ihany koa ireo mpanjifan’ny JIRAMA.”Tena ilaina mihitsy ny fandraisana fepetra mikasika ny fahatapahan-jiro eto amintsika fa manimba zavatra sy mitondra fatiantoka ho an’ireo mpiasa tena sy mampiasa ny jiron’ny Jirama” hoy i Mamy mapanao soudure.
Miranto Andrih
