ActualitésTatitra

La Réunion : Laharana voalohany iraisam-pirenena ny Beach Tennis i Nicolas Gianotti

Teratany ao La Réunion antsoina hoe Nicolas Gianotti no mitana ny laharana voalohany iraisam-pirenena ny Beach Tennis. Anaram-boninahitra nosalorany rehefa nahazo ny amboara ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny Beach Tennis tao Italie ny volana may teo izy. Resiny niaraka tamin’ilay mpilalao aminy avy ao Italie, Mattie Spoto tamin’ny isa 7-5 6-2 ny mpifanandrina tamin’izy ireo izany ny laharana voalohany iraisam-pirenena teo aloha dia i Michelle Cappelletti avy ao Italie sy i Antomi Ramos, avy ao Espagne.

Tao amin’ny Tennis Club tao Saint Pierre i Nicolas Gianotti no nilalao fahiny. Teny voninahitra sy rehareha lehibe ho azy hoy izy ny fahatongavana amin’io tanjona izay efa nokendreny nandritra ny taona maro io. Zava-dehibe ihany koa raha ny fanamafisany izany frantsay voalohany nahazo ny laharana voalohany iraisam-pirenena eo amin’ny taranja misy azy izany.

Laisser un commentaire