ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Saron’ny zandary ny jiolahy mpangalatra akoholahy mpiady

Lehilahy iray no voasambotry ny zandary avy amin’ny brigadin’Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo, rehefa tra-tehaka tamin’ny asa ratsy fanaony. Mpamaky trano « spécial » amin’ny fangalarana akoholahy mpiady (coq de combat) sy  « pompe imérgée) ity lehilahy ity, raha ny voalaza.

« Hafakely ity jiolahy mpamaky trano ity. Akoholahy mpiady no nalainy ary ny vadiny ihany no irahiny mivarotra azy. Rehefa nahatsikaritra izany mpitandro filaminana dia niditra an-tsehatra ka nanao ny asa maha mpitandro filaminana ka fantatra fa tsy tompon’ny akoho amidy tokoa izy fa voairaka » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« Nanatanteraka ny asany hatrany ny mpitandro filaminana ka voasambotra taorian’izay ity lehilahy ity. Tobga nanamarina ny fahaverezan’ny akoho ihany koa ny tompony. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa isehoana fahaverezana pompe imérgée tao an-toerana sy ny manodidina ary mbola izy irery no sahy milatsaka anaty lava-drano lalina » hoy hatrany ny fanazavana.

Taorian’ny fitsarana azy ireo moa dia notanana am-ponja ity lehilahy ity raha toa kosa ka mbola arahina maso akaiky ilay vadiny.

Manitra R.

Laisser un commentaire