ActualitésTatitra

France : Tantara notsoahana tamin’ny « Débarquement de Normandie » ny horonantsary « Saving Private Ryan »

Ny « Débarquement de Normandie » dia anarana miafina nomena ny « opération Neptune » izay fanafihan’ny tafika an-dranomasina sy an-tanety (opération militaire amphibie) ary ireo an’habakabaka nataon’ireo Alliés tamin’ny ady lehibe faharoa. Nandritra ny 5 hatramin’ny 6 jona 1944 no nisehoan’io tranga io.

Mbola dingana kely tao ambadika ny fanafihana iray lehibe atao hoe « Opération Overlord » io hetsika io izany nikendry ny hamorona tetezana lehibe ho an’ny Alliéstao avaratra andrefan’i Europe ary hanokatra sehatra vaovao tao andrefana.

Isan’ny nandray anjara tamin’io hetsika io ny tafik’i Etats-Unis. Navohitr’i Steven Spielberg sy Robert Rodat indrindra tao amin’ny horonantsary novolavolan’izy ireo, Saving Private Ryan, tamin’ny taona 1998, izany. Voarakitra ao amin’io tantara io ny tantaran’ny miaramila maromaro hanavotra ny miaramila James Francis Ryan amin’ny ady rehefa maty nandritra izany ady izany ny rahalahiny telo.

Laisser un commentaire