SocialTatitra

Pays-Bas : Nandrombaka ny fifidianana mpanao lalàna ny antokon’ny praiministra Mark Rutte

Nandrombaka ny fifidianana mpanao lalàna tao Pays-Bas ny antoko “libéraux”, tarihin’ny praiministra néerlandais Mark Rutte. Io no valim-pifidianana nivoaka ny harivan’ny alarobia 17 martsa. Nambaran’Andriamatoa Rutte fa mbola vonona hanome ny tsara indrindra aminy izy entina hanasoavany ny vahoaka entiny. Efa hatramin’ny taona 2010 izy no nisehatra tamin’ny fitantanam-bahoaka. Ireto ary ny tombana farany, fotoana fohy talohan’ny misasakalina. Seza 35 ho an’ny vondrona liberaly, amin’ny 150 ao amin’ny tranon’ny parlemanta ambany, raha 33 ny tao amin’ny fivoriambe, ary nanokana seza 26 ho an’ny D66 (centre gauche). 18 kosa ho an’ny antoko ho an’ny fahafahana (PVV) an’ny lefitra mpanohitra ny finoana Silamo Geert Wilders, izay efa nanda ny fananganana fiaraha-mitantana ny antoko lehibe. Very seza telo ny PVV talohan’ny fifidiana. Vokany, nandiso fanantenana ny mpitarika azy, izay nilaza tamin’ny mpanao gazety fa « nanantena zavatra betsaka kokoa.” Nilaza i Mark Rutte fa ny D66 sy CDA (Christian Democrats) an’ny Minisitry ny Vola Wopke Hoekstra, izay manana seza 14 no azo hifampiraharahana amin’ny hananganana governemanta iraisana.

Laisser un commentaire