Fianarantsoa : Nahazo foto-drafitr’asa maro sosona
Dépêche 26 mai, 12h, Notokanan’ny Filoham-pirenena ireo fot-drafitr’asa naorina tao amin’ny tanànan’ny Fianarantsoa omaly. Raha tsiahivina dia nidina tany an-toerana ny tenany nankalaza ny faha-100 taonan’ny Sekoly Miaramilam-pirenena ka nandritra izany diany izany no nitokanana ireto foto-drafitr’asa maro be ireto. Tafiditra tao anatin’izany ny birao ho an’ny Polisim-pirenena, ny biraoan’ny fokontany vaovao ho an’ny Fokontany Ambatolahikosoa, ny birao Foibem-paritry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy sy ny maro hafa. Fotodrafitr’asa mendrika sy mamaly ny filàn’ny mponija any an-toerana avokoa ireo.
