ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Miseho amin’ny endrika maro ny fisolokiana

Mora handairan’ny fisolokiana ny Malagasy. Miseho amin’ny endrika maro dia maro izy ireny kanefa mbola maro ihany koa no roboka ao anatin’izany. Tratra ireo olona telo misoloky manao feo ana kalanoro tany Antsiranana. Mbola maro mpino ireny fanahy ireny any an-toerana ary nanambara ireto mpisoloky fa afaka mampanankarena. Maro ireo voasolokin’izy ireo kanefa tsy mbola mahita mangirana amin’ny fiainany ka nitory azy ireo.

« Antso an-telefaonina no hifandraisan’izy ireo amin’ireo olona izay tratrany. Manao feona kalanoro izy ireo ka ireo voalaza ho kalanoro no miteny hoe manatitra volamena, volafotsy, vola na finday any amin’ny nosy Lonjo (toerana fijoroana) na aterina eny Mitabe (kianja filalaovana baolina). Miisa telo ireto olon-dratsy ireto ka nampidirina am-ponja vonjimaika avy hatrany », hoy ny Polisy ao Antsiranana.

« Tsy tokony handairana hafetsifetsen’olona toy izany isika fa ny ntaolo efa niteny hoe “ny hatsembohan’ny tavanao no hinananao”. Raha miandry harena avy amin’ny zavatra tsy fantatra izany amiko aloha ohatran’ny miandry vasoka ihany. Tsy aleo miasa dia manangom-bola dia mampiasa vola avy eo hahafahana mampitombo ny eo an-tanana », hoy i Marcellin, mpandraharaha avy ao Antsiranana, tamin’ny fanehoan-keviny.

Miainga amin’ny toe-tsaina ny fandrosoana. Raha te handroso dia tokony hazoto hiasa sy hanodina ny eo an-tanana fa tsy hiandry ho toloram-potsiny tahaka izao. Samy manana adidy amin’ny fampandrosoana ny tenany ny tsirairay fa aza miandry ny hafa hanao izany ho anao.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire