SocialTsidika

Manan-danja ny fampiroboroboana ny kanto Malagasy.

Mifandray kokoa amin’ny fiaraha-monina ny tontolon’ny zava-kanto. Taratry ny zava-misy hianinan’ny manodidina eny no avoaka ho asa kanto. Izany hoe ireo mpanakanto no voalohany mampita sy mampianatra ary manabe ny fiaraha-monina; amin’ny alalan’ny asa vitany. Anisany tena mahaliana ny mpankafy ny mamantatra ny rafitra rehetra atao alohan’ny hamoahana azy ireny. Ny mpanakanto ihany koa etsy ankilany manao izay ho afany ho fampiroboroboana sy fampivelarana ny kanto. Tsiahivina fa tsy ny tontolon’ny hira ihany no antsoina hoe kanto. Maro ireo miezaka mampiseho izany amin’ny fomba hafa. Anisan’izany ny dihy, ny haisary, ny hosodoko sy ny maro isan-karazany. Izany indrindra no nisian’ny fiaraha miasa ho fampivoarana ny tontolon’ny kanto. Hiditra an-tsehatra amin’izany ny Cerle Germano-malagasy (CGM) sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kolontsaina. Hisy araka izany ny fandaharana hovolavolain’izy ireo ho fampahafantarana ny mpankafy ireo dingana rehetra harahina mialohan’ny hamoahana ny asa kanto iray. Alefa ao amin’ny Televiziona Malagasy isaky ny alarobia amin’ny 9 ora alina io fandaharana io manomboka izao. 15 minitra eo ny faharetany. Hantenaina fa hahaliana ny mpankafy marobe izany fandaharana entina hambiroboroboana ny kanto izany. Misy ihany koa ny “atrikasa mifandraika amin’ilay lohahevitra nandeha tao amin’ny “Asa sy Kanto” rehefa asabotsy tolakandro. Antenaina hahatonga ny mpankafy hanakaiky bebe kokoa an’ireo mpanao asa kanto izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire