ActualitésTatitra

France : Nisehoana tranga fitifirana indray tao Marseille

Nisehoana tranga fitifirana tao Marseille ny alin’ny alatsinainy nifoha talata teo. Tao amin’ny cité Consolat tao amin’ny boriborintany faha-15, tsy lavitra toeram-pivavahana silamo sy toeram-pivarotana iray no niseho ny tranga.

Manoloana izany dia olona enina no naratra vokatry ny fitifirana ary ny iray amin’ireo tovolahy 21 izay miady amin’ny fahafatesana amin’izao fotoana. Raha ny fantatra kosa hatreto dia olona tao anaty fiara roa BMW sy Range Rover no nitarika io fifampitifirana io. Hita nirehitra tamin’ny toerana tsy lavitry ny cité Consolat nefa ireo fiara ireo.

Tsiahivina nefa fa iray andro talohan’io tranga io dia olona 3 no namoy ny ainy vokatry ny fitifirana tamin’ny kalachnikov tao boriborintany faha-112 tao Marseille ary iray andro talohan’izany ihany koa nisy tranga fifampitifirana tao amin’ny cité des Oliviers.

Laisser un commentaire