Fivarotam-boky CMPL: Manana boky mahakasika ny lalàna Malagasy
Mahazo tombony ny mpianatra na mpikaroka mahakasika ny lalàna. Ankoatra ireo toerana efa mahazatra amin’ny famakiana boky dia manana ny mahakasika ny lalàna ihany koa ny Librairie CMPL. Ankoatra ireo boky amin’ny sehatra isan-karazany hita oa dia manan-karena ireo loharanom-pahaizana mahakasika ny lalàna maro ao.
Mahazo laka kokoa ireo mpisehatra oa anatin’ny “droit penal” amin’ity boky ity. Nosoratana Malagasy ary manaraka ny lalàna rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny votoatin’ny boky. Voafehy ato anatin’ity boky ity avokoa ireo tsara ho fantatra mahakasika ny heloka bevava. Tena ilaina ity boky ity hahafahana mahafantatra ireo trangan-javatra heloka bevava misy eny amin’ny fiaraha-monina.
Zava-dehibe ny mahafehy ity toe-javatra iray ity amin’izao vanim-potoana izao ho an’ireo mpianatra, indrindra moa ireo efa miasa. Voarakitr’i Rakotomanana Honoré ato anatin’ity boky “droite penal general Malagasy approfondi” ity daholo izany. Azo jifaina indrindra indrindra ao amin’ny Librairie CMPL ny boky, an-jotra ny fanjifana izany ary manatitra izy ireo.
Miora Raharisolo
