La Réunion : « 100% La Réunion » marika vaovao hanasongadinana ny famokarana ao an-toerana
Nampiratiana nandritra ny tsena ben’ny fambolena tao Bras-Panon ny « 100% La Réunion ». Vokatra vaovao izy io izay natao hanasongadinana manokana ny famokarana ao amin’ny nosy. Ny « 100% La Réunion » dia vokatra vita 100% ao La Réunion araka ny anarany. Raha ny fanzavana dia maro ny vokatra novokarina tao amin’ny nosy saingy mbola nanafarana vokatra avy amin’ny firenena hafa.
Isany mampiavaka ny « 100% La Réunion » noho izany fampiasana feno ny akora fototra ao an-toerana hoy mpitantana ny tetikasa fampandrosoana ara-toekarena ao amin’ny filankevitry ny fepartemanta ao an-toerana, Rémi Labedan. Tontosaina ao an-toerana avokoa ny fambolena hatramin’ny fanodinana ny vokatra hoy izy.
Misy karazany telo kosa ny « 100% La Réunion » raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny sampan-draharaha misahana ny fambolena, Serge Hoarau. Ny « 100% La Réunion classique », ny « 100% La Réunion bio », ary « 100% La Réunion Excellence » izay natokana ho an’ny fifaninana toy ny fifaninanana iraisam-pirenena « Salon de l’agriculture » ao Paris.
