Marika lacoste: Manohana ny fanatanjahantena isan-karazany
Hatramin’ny niforonany ny taona 1933 dia efa nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena hatrany ity marika ity. Na ny teny filamatra izay entin’izy ireo aza moa dia manohana hatrany ity hetsika iray ity, “life si a beautiful sport”.
Manana entana karazany maro ny orinasa saingy ny fanatanjahantena dia efa nentiny hatrany homena lanja. Efa maro ireo ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena no notohananan’izy ireo. Anisan’izany ny mpisehatra amin’ny Ski an’ny France ny taona 1968. Izy ireo no namolavola ny fanamian’ireo atleta. Ankoatra ny akanjo anefa dia efa nanamboatra fitaovana ara-panatanjahantena ihany koa ity marika ity toy ny tamin’ny taona 1963, izay namoahan’izy ireo ny “raquette” vita tamin’ny vy manontolo. Nanomboka ny taona 2017 moa dia i Novak Djokovic mihitsy no mpamolavola ny vokatra ao anatin’ny orinasa.
Marihina fa hatramin’izao fotoana izao dia mbola manjaka hatrany ity marika ity. Hamantarana manokana ny marika ilay sarina voay miloko maitso iny.
Miora Raharisolo
