Fahasalamana: Tafapetraka ny komity miady amin’ny fivarotana ireo sakafo fanafody ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo
Efa am-perin’asa amin’izao fotoana izao ireo komity miady amin’ny fivarotana ireo sakafo fanafody ho an’ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tafiditra ao anatin’izany ny “plumpy nut” sy ny “plupy sup”. Ahitana solon-tenam-panjakana eny Ifotony, ny minisiteran’ny Fitsarana, ny polisy, ny zandarimariam-pirenena, ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ary ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ity komity vao natsangana ity.
“Voararan’ny lalàna ny fivarotana ireny sakafo sady fanafody ireny satria raha ny tokony ho izy dia zaraina maimaim-poana izy ireny. Natao hitsaboana ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika tonga tampoka ny « plumpy nut » sy « plumpy sup » fa tsy sakafo tsotra fihinana isanandro”, hoy ny fanazavan’ny Mpitsabo.
Hiady amin’ny fivarotana ireny fanafody ireny no antom-pisian’ity komity ity. Tsy ho an’ireo sakafo sady fanafody irey ihany fa eo ihany koa ireo fanafody izay tokony hositrahina maimaim-poana rehetra. “Tsy maintsy hisy ny fampahafantarana ireo fanafody azon’ny vahoaka sitrahina maimaim-poana manerana ny Nosy. Aorian’izany dia azon’ny tsirairay ny mitoroka ireo minia mbola mivarotra izany ka handraisana fepetra”, hoy ny avy ao amin’ity Komity ity.
Zava-dehibe ny fahasalamana ka izany no antony hisian’ireny fanafody maimaim-poana ireny ka afaka misitraka izany avokoa ny olona rehetra. Toy izany ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo izay mbola mahery vaika satria 38% izy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tsy mampahomby ny ady atao amin’izany ny fivarotana ireo sakafo tokony homena ny zaza ka izany indrindra no tokony hiadivana mafy. Marihina fa tsy natokana ho an’ny zaza tsy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ireto “plumpy nut” sy “plumpy sup” ireto.
Miora Raharisolo
