Birmanie : Maherin’ny 40 ireo lavo noho ny fandalovan’ny rivodoza Mocha
Teo anelanelan’i Sittwe, renivohitr’i Rakhine ao Birmanie sy Cox’s Bazar ao Bangladesh no nampiseho ny heriny ny rivodoza Mocha. Nahafoaka 195km/ora izy ary nahatafy olona 41 isa tao Birmanie. Mbola isa vonjimaika ihany nefa izany raha ny fanazavan’ny mpitondra teny tao an-toerana.
Nilaza i Karlo, mpitantana ny tanàna ao Bu Ma fa 17 no namoy ny ainy tao amin’ny tananan’izy ireo ary mbola an-jatony ireo olona tsy hita ka heverina fa hiakatra io antontan’isa io hoy izy. Nitatitra kosa ny tao Khaung Doke Kar fa 24 no lavo tao amin’ireo.
Raha ny tatitra ofisialy nataon’ny « junte » izay mitondra ao an-toerana amin’izao fotoana ny 15 may teo nefa dia 5 monja ny olona lavo nandritra io rivodoza Mocha io notatetin’izy ireo. Ankoatra ny fahamoizana aina kosa dia trano sy foto-drafitrasa maro ihany koa no ravan’io andro ratsy io.
