ActualitésTsidika

Tetik’asa Train Urbain : Hohefain’ny fanjakana manontolo ny tambin’ny fanesorana ireo olona voakasika

Neken’ny Minisitra rehetra fa ho raisin’ny fanjakana manontolo ny fanefana ireo tambin’ny fanesorana ireo olona voakasiky ny tetik’asa Train Urbain. Efa fantatra mazava ihany koa ireo olona rehetra voakasik’izany. Mila haloha amin’izy ireo io tambiny io hahafahana manohy ny asa ka tsy ho ela dia hiroso amin’izany ny Ministera tompon’andraikitra.

Efa voafaritra mazava ireo olona voakasiky ny tetik’asa ny taniny. Efa nisy ihany koa ny didim-panjakana manambara ny tombontsoam-bahoaka ny ampahan’ny tany rehetra voakasiky ny tetik’asa. Araka izany dia tsy maintsy ho aloha io tambiny io hahafana manao ny tohin’ny asa farany izay haingana. Izany dia mba tsy hihitaran’ny fahataran’ny tetik’asa Train Urbain intsony », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.

Marihina fa efa maro ireo asa no natomboka sy andalam-pamitana amin’izao fotoana izao. Vinavinaina hanomboka ny volana oagositra izao ny fitaterana an-dalamby an-drenivohitra voalohany izay hiainga eny Amoron’Ankona hatreny amin’ny Gara Soarano. « Manahy ny amin’ny tsy fahatomombanan’izany aho », hoy i Rija, mponina ao Ankadindratombo.

« Raha ny tetik’asa mahakasika ny fitaterana no mampandroso sy mahavelona dia tsy nisy intsony mahantra eto Madagasikara. Mbola misy ny laharam-pahamehana maro be any ho any. Vahaolana amin’ny fitohanana io fa tsy vahaolana amin’ny olana voalohany indrindra amin’izao fotoana izao », hoy i Jean de Dieu, mpamily fiara fitaterambahoaka.

Train Urbain, Transport Par Cable, Bus moderne, izany rehetra izany dia vahaolana naroson’ity fitondram-panjakana ity ho ady amin’ny fitohanana avokoa. Aiza ho aiza isika amin’izao fotoana ny amin’ny fanatanterahana ny ampahany?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire