Dépêches

Faritra Diana : Fotoana sisa no andrasana dia hisokatra ny taom-piotazana lavanila

Dépêche 11 mai, 13h, Tsy ho ela intsony dia hisokatra ny taom-piotazana lavanila izay efa ela no niandrasan’ireo tantsaha ao amin’ny faritra Diana azy. Efa maindry ny fahatongavan’ny fotoana fotsiny sisa ireto tantsaha. Nisy ny fivoriana izay notanterahina tao Ambanja manodidina ity sehatra ity. Nandray anjara tamin’izany ny goverinoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, sy ny Fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana teo koa ny Komitim-paritra ny lavanila. Nifampidinihana nandritra izany ny fomba hahafahana manatsara ity sehatra ity. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fandriam-pahalemana izay manimba ny tsenan’ity sehatra ity.

Laisser un commentaire