ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Lehilahy iray nahatratrarana rongony

Lehilahy iray voasambotry ny zandary avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria Ambohimangakely, ny alatsinainy teo. Nahatratrarana rongony miisa 27 fonosana sy voan-drongony maromaro tao anaty fiara fitateram-bahoaka ity farany, araka ny voalaza

« Tao anaty fiara fitatram-bahoaka, zotra mampitohy an’Andravoahangy sy Ambohimalaza no nisy ity lehilahy ity. Rehefa nahazo angom-baovao mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana ka nanao ny fisavana dia tratra teo amin’ny fiantsonana antsoina hoe Manambina Ambohimangakely, ka izao no vokatra azo » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Mironga ny zava-mahadomelina ary efa tena saika ahitana izany avokoa ny faritra rehetra. Mahazo vahana izy amin’izao fotoana ety amin’ny kaominina. Ny ray aman-dreny no tokony ho mailo voalohany ary tokony hanara-maso ny tanora hiandraiketana mba tsy hiafara amin’ny tahaka izao » hoy i Tsilavina, mponina ao Ambohimangakely.

Mihamahazo vahana teto amintsika ny zava-mahadomelina ; etsy ankilany anefa, misy hatrany ny haza lambo ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana sy famongorana azy ireny. Ny sazy ve no tsy ampy sa ny lalàna eto amintsika no tsy voafehy intsony ka mahatonga izao tranga mirongatra izao ?

Manitra R.

Laisser un commentaire