ActualitésTatitra

La Réunion : Miantso amin’ny fanomezana rà vondrona O négatif ny nosy

Misedra tsy fahampian’ny tahiry ny rà vondrona O négatif ny nosy La Réunion amin’izao fotoana. Manodidina ny 80 isan’nadro ihany sisa no manome rà ao an-toerana raha tokony 120 isa izany. Manoloana izany dia nanao antso avo amin’ny fanomezana io vondrona rà io ny EFS (établissement français du sang).

Vitsy ireo olona vonona ny hanolotena ho an’io fanomezana rà io. Isan’ireo vitsy an’isa ireo i Frédéric, raim-pianakaviana iray izay mahafoy manome rà in-droa na in-telo isan-taona. Fihetsika iray ahafahana manampy sy mamonjy ny mpiara-belona aminy izany hoy izy.

Laisser un commentaire