ActualitésTsidika

Hazavao ny elakelantrano : Mitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny fandriam-pahalemana

Miroso hatrany ny asa ho fitandroana ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Ankoatra ireo toerana maro izay efa nisitraka ny tetik’asam-panjakana « hazavao ny elakelantrano » dia nahazo ny anjarany farany teo ihany koa i Toamasina. Ankoatra ny faritra efa nahazo dia hiparitaka manerana ny Nosy ity tetik’asa ity.

« Taorian’ny Toliara dia Toamasina ihany koa izany izao dia efa misitraka tsikelikely ity tetik’asa ity. Ny tanjona amin’izy ity di any hanampiana hatrany ireo tompon’andraikitry ny fandriam-pahalemana. Fifamotoan’ny ratsy ny haizina ka izany indrindra no tsy maintsy hanolorana ny faritra rehetra ity tetik’asa ity », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo.

Fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa Jirama ity tetik’asa ity izay entina hanomezana jiro hanazava ny lalan-kely sy ny elakelan-trano. Etsy andaniny anefa dia mbola mampimenimenina ny Malagasy hatrany ny vidin-jiro midangana eo anivon’ity orinasa ity. « Hampiana ihany ny fandaniana kanefa ny trosan’ny fanjakana teo aloha mbola tsy voaloha. Izahay vahoaka madinika hatrany izany no hanefa ny trosa ka hiakatra isam-bolana ny vidin-jiro. Marina fa ilaina ny mazava fa tsy misy dikany io raha tapatapaka matetika ny jiro satria misy tsy fahampiana ny orinasa », hoy i Romuald, mponina eny Ambohipo, toerana ahitana fahatapahan-jiro matetika.

Filàna voalohany ho an’ny olona rehetra ny fahazavana. Mifanindrandalana amin’izany dia ilaina koa ny fahazavana amin’ny kaontin’ny Fanjakana sy ny orinasa Jirama mba tsy hampiroiroy saina ny vahoaka Malagasy.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire