ActualitésTsidika

Mpamonjy voina : Mbola misedra olana maro ny sampana eto Antananarivo

Noho ny fankalazana ny andro manerantanin’ny mpamonjy voina (pompiers) dia nanambara izy ireo fa mbola maro ireo olana sedrain’izy ireo anatin’ny fanatanterahana ny asany. Manavesatra ny iraka sy ny andraikitra sahanin’izy ireo izany. Tafiditra ao anatin’iznay ny tsy fahampian’ny olona asy ny maha tsizarizary ny fitaovana hampiasaina.

« Miisa 384 amin’izao fotoana izao ny isan’ny mpamonjy voina mitoby ao Tsaralàlana. 284 amin’ireo efa am-perinasa tanteraka, ny 100 mbola manao fiofanana. Mbola tena tsy ampy anefa izany raha oharina amin’ireo hamehana isan-karazany sy ny fahasarotan’ny asa indraindray. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana izay tsy maintsy hiankinan-doha amin’ny mpiara-miombonantoka. Mila havozina ihany koa anefa ny sasany amin’ireo fitaovana hampiasaina amin’izao fotoana ireo », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampan mpamonjy voina.

Efa manatsara hatrany ny tolotra ny sampana amin’izao fotoana izao satria dia roa minitra aorian’ny antso filazana fisian’ny voina dia efa vonona sy miainga ao Tsaralàlana ny ekipa mpamonjy voina. Ny toham-boivaoy no miteraka ny fahataran’izy ireo matetika. « Ny mpamily rehetra anefa tokony efa samy mahalala fa lohalaharana hatrany ny mpamonjy voina anatin’ny lalana. Olana sedraina amin’io toe-javatra io ny fahateran’ny lalana eto andrenivohitra » hoy ny fanazavan’ny Colonel Tiana Razafimanahaka tomponandraikitra ao amin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana.

Azon’ny rehetra hatao ihany koa ny samy mitandrina ho amin’ny fisorohana ny loza. Amin’ny alalan’ny fanajàna ny fenitra sy ny lalàna mipetraka amin’ny fampiasana ny fitaovana rehetra mety hampidi-doza. Efa mitombo rahateo ny tanàna ka mitombo miaraka amin’izay ny ambana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire