Fambolena : Mandroso ny asa fiadiana amin’ny andiam-balala
Mandroso dia mandroso ny asa fiadiana amin’ny andiam-balala amin’izao fotoana izao. Avy any amin’ny faritra Atsimo iny no nanombohana izany ka efa tany mirefy maherin’ny 3 000 ha no efa voaaro amin’izany. Niampy 100 ha izany ho an’ny faritra Ihosy izay efa notondrahana fanafody ny 240 ha teo aloha.
« Maherin’ny 50 000 ha eo no mety ho tratran’ity andiam-balala ity ka amin’izao fotoana izao dia efa 3 000 ha no efa voatondraka fanafody hahafana mamono ireny. Miasa tsy sasatra ny Ministera amin’izao fotoana mamono ny valala mpanimba voly. Miara-dalana aminay amin’izany ny Mpitandro filaminana manampy amin’ny famendrahana ny fanafody », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Vinavinaina hananika ny renivohitr’i Madagasikara afaka fotoana vitsy ny andiam-balala, hoy ireo manam-pahaiza, raha tsy handraisana fepetra hentitra dia hentitra sy maika.
« Misy foana ny andiam-balala isan-taona. Tokony efa fantatry ny Ministera izany ka tokony efa hay ny fiadiana hatao aminy. Isika eto Madagasikara manko zatra an’ity maka tsy taitra ity ka efa andohalika ny ranom-bary vao mandray andraikitra. Efa fantatra foana ny toerana hanatodizan’izy ireny ka vao manomboka manatody izy dia tokony efa nofongarina fa tsy avela efa manana taranaka be dia be », hoy ireo manam-pahaizana mahakasika ny fambolena.
Asa mafy ho an’ny tantsaha hatrany izany andiam-balala izany ka tokony hikaroham-bahaolana maika. Mamelona olona aman-tapitrisany ny tantsaha ka tiokony harovana fatratra. Raha ny hanimba ny tantsaha no tanjon’ny Fitondram-panjakana dia izay vao tokony avela ho velona ela be ny valala.
Miora Raharisolo
