ActualitésTsidika

Famoronana : Maro mpankafy ny vita Malagasy, saingy maro ihany koa no tsy mahatakatra ny vidiny

Efa manomboka mitombo ireo mpanantalenta amin’ny asa tanana eto Madagasikara. Manana karazany maro amin’izany ny Malagasy ary manana akora maro hampiasaina ahafahana mamoaka zavatra tsara amin’izany ihany koa. Maro mpankafy izy ireny, ary tena manana fahaiza-manao ny mpanao asa tanana Malagasy saingy vitsy mpanjifa noho ny tsy fahatakarana ny vidiny.

« Tsara, ary tena mitsiriritra ireny zavatra vita Malagasy hamidy ireny mihitsy isaky ny mahita, saingy ny vidiny ihany koa mitovy amin’ilay fitsiriritana azy. Ny olana dia toa zary lasa mitovy amin’ny vidiny ho an’ny vahiny ilay izy. Tsy tokony hilatsaka ve izany vidiny izany raha ho an’ny Malagasy eto an-toerana », hoy i Amel, nitondra ny fianakaviany teo amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka, nilaza ny heviny sady nihomehy.

Naneho ny heviny ihany koa anefa ireo mpamorona Malagasy amin’ny olana sedrain’izy ireo ka mampiakatra ny vidin’entana. « Efa manomboka mihalafo ny akora ampiasaina, ary sarotra vao mahita, raha ny taolana fotsiny ohatra. Tsy maintsy mitady ireo tsara kalitao anefa mba ahafahana manatsara hatrany ny tolotra. Miaraka amin’izany ihany koa anefa ny fahamaroan’ny mpifaninana amin’ny tsena, tsy maintsy misakafo izahay ka tsy maintsy mitady vola », hoy i Bebe Neny, mpivarotra asa tanana ao Andraikiba.

Raha aminao anefa dia inona no hevitra azonao haroso manoloana izany olana izany ? Tsara kokoa mantsy ny mividy zavatra tsara sy mafykanefa lafo toy izay mividy mora nefa malemy. Eo ihany koa ny fandraisnaa anjara amin’ny fampivoarana ny firenena amin’ny alalan’ny fanjifana ny vita eto an-toerana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire