Kolontsaina : Miroborobo fatratra ny kanto ho an’ny maso eto Madagasikara
Ankoatra ilay toerana nosokafana ho an’ny Fondation H dia anjaran’ny Fonds Yavarhoussen indray izao no mahazo ny anjarany. Toerana iray mirefy 750m2 izany toerana natokana ho azy ireo ity. Ho hita afovoan-tanàna tsara ity toerana ity, ka ho afaka sitrahin’ny rehetra hanomboka ny taona 2024. Ahitana « galerie » ahafahana mampiranty zavatra maro ny toerana ary hisy toerana hafa ahafahana manjifa sy mividy karazan-javatra maro.
« Zava-dehibe ho an’ny Fonds hatrany ny hampiroborobo ny kanto eto an-toerana ka izany indirndra no anton’ny fanangananana ity toerana vaovao ity. Afaka hivelatra amin’ny sehatra maro ny toerana izay tsy miala amin’ny tontolon’ny kanto anefa izany. Ny Hakanto Contemporary sy ny Fonds no hiara-hisalahy hampandroso ny toerana », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Hakanto Contemporary.
Amin’izao fotoana izao dia mbola eo Ankadimbahoaka hatrany no hanatanterahana ireo hetsika fampirantina miisa 3 ambiny mialohan’ny hisokafan’ny toerana vaovao. Etsy andaniny anefa dia mbola misedra olana ireny toerana ahitana ny « art visual » ireny ka tokony harenina izany ho an’ny daholobe.
« Mbola vitsy ny mpisitraka ny hetsika kanefa fotoana izay ahafahana mamantatra zavatra vaovao ny fitsidihana ireny toerana ireny. Mila miampy ny serasera manodidina azy ity satria dia ireo izay efa mahafantatra ihany no tonga mitsidika ny toerana. Ny kolontsaina mahakasika ny fitsidihana ny toerana mihitsy no misy olana ka tokony hampianarina betsaka », hoy hatrany ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra.
Ankoatran’ny an’ny Hakanto Contemporary dia maro ireo toerana azo tsidihina raha liana amin’ireny kanto ireny ianao. Ankoatra ny fahafinaretan’ny maso dia ao ihany koa ny fahafinaretan’ny saina rehefa mivoaka ao.
Miora Raharisolo
