ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray no namono ny zana-badiny ary nantitra ny razana tany amin’ny reniny

Raim-pianakaviana iray no tonga vao maraina tao amin’ny tobin’ny polisy nampilaza ny tsy fahitany ny zanany vavy 6 taona antsoina hoe Bella sy ny olo-tiany Hannah Landon izay tsy renin’io zaza io. Nisokatra avy hatrany ny fikarohana ary tonga nanadihady tao amin’ny trano fonenan’ny reny niteraka ilay zazavavy kely tao Sedgfield Drive, Louisiane ireo manam-pahefana.

Nahitana « seau » teo an-jaridainan’io renim-pianakaviana io ireo polisy ary rehefa nojerena ny tao anatiny dia nisy vata-mangatsiakan’i Bella. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia fantatra fa maty novelesina sy nokendaina ilay zazavavy. Rehefa nojerena kosa ny « caméra de surveillance » dia hita nanatitra ilay « seau » nisy an’i Bella teo amin’io zaridaina io ny renikeliny.

Efa voasambotra kosa ity farany ary fantatra fa noho ny fasarotam-piaro no anton’io heloka nataony io.

Laisser un commentaire