ActualitésTsidika

Alasora : Mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ireo mpiara-miombon’antoka vahiny

Mitohy ary mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Alasora sy ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Nandritra ny dian’ny ben’ny tanàna any an-toerana amin’izao fotoana, nisy ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna avy ao Alasora sy ny ben’ny tanàn’ny La Grande Motte, Frantsa.

« Noresahina nandritra ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna roa tonta ny fampifandraisana ny sekolim-panjakana, EPP Ambodivondava sy ny EPP ao Grande-Motte. Teo ihany koa ny fiaraha-miasan’ny polisy roa tonta ary ny fandefasana fiara hisolo ireo mpitondra marary ao amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.

« Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ifotony ny fikatsahana fiaraha-miasa tahaka izao. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka asehony hatrany ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka » hoy i Sedra, mponina ao Alasora.

Marihina moa, fa ny association Zazakely, izay fikambanana manohan fampisakafoanana an-tsekoly ao amin’ny EPP Ambodivondava, efa an-taonany maro, no nanomana izao fihaonana izao ary nanatrika izany ihany koa, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire