ActualitésTatitra

La Réunion : Niakatra ny tahan’ny fanjifana

Raha ny tatitry ny INSEE (Institut National de la Statistique et des Études Économiques) dia niakatra 0,5% ny tahan’ny fanjifana tao La Réunion ny volana martsa teo. Raha tsiahivina efa niakatra 0,4 % izany volana febroary teo ary niakatra 3,3% tao anatin’ny herintaona. Marihina ihany koa fa mahakasika ny sehatry ny fanjifana rehetra io fiakarana io ankoatra ny angovo.

Niakatra 1,6% ny vidin’ny sakafo tao La Réunion ny volana martsa 2023 teo raha 0,8% izany ny volana febroary ary 0,9% ny volana janoary. Fiakarana goavana indrindra hita tao an-toerana hatramin’ny volana martsa 2022 kosa izany raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire