Dépêches

Fahasalamana : Mbola vitsy ireo zaza latsaky ny iray taona tsy mahazo ny vaksiny miady amin’ny lefak’ozatra

Dépêche 25 avril, 14h, Mbola maherin’ny 300 000 ireo zaza latasaky ny herintaona no tsy mbola nahazo ny vaksiny fanefitry ny lefak’ozatra. Marihina anefa fa tokony daozy 16 no hotolorana ireny zaza ireny amin’ireo vaksiny enina tokony hataony. Izany no antony mampirongatra indray ny aretina lefak’oazatra hatramin’ny taona 2021. Adidi’nireo Ray aman-dReny anefa ny mitondra ny zanany hatao vaksiny ka tokony tsy hitady olana sy hamorona olana amin’izany. Fahasalamana no tanjona amin’ny fanaovana vaksiny ary ny tsaho sy ny vaovao diso manodidina izany dia tokony hoferana. Azo atao ny manatona ny CSB2 ho an’ireo izay maniry te hanao vaksiny ny zanany na te hanontany fanampim-panazavana.

Laisser un commentaire