ActualitésTsidika

Pipeline Efaho : Hisitraka rano avy amin’izany ny tanàna miisa 60 ao Ambovombe

Ho famatsiana rano an’ny Ambovombe dia natomboka ny tetik’asa “Pipeline Efaho”. Ity tetik’asa ity dia ahafahana manampy ny famatsian-drano any Ambovombe avy amin’ny renirano Efaho. Hanampy ireo tantsaha mpamboly sy ny mponina rehetra ity tetik’asa ity izay hitondra fanovana amin’ny fiainana sy ny fari-piainana. Mbola ho lava ny lalana holalovana amin’ny famitana ity asa ity satria manodidina ny 69km ny halavan’izany fantsona izany.

« Asa mafy be no ho atao amin’ity fanampiana ny mponina any amin’ny faritra Atsimo ity. Iny faritra iny efa miaina anaty tsy fisiandrano matetika foana. Manodidina ny 69km no hasiana ny fantsona izay haharitra 12 volana be izao. Tsy maintsy ho vitaina anefa izany satria Malagasy toy ny rehetra ireo ary mendrika ny hisitraka izany rano izany », hoy ny Ministeran’ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fanadiovana.

Maro ny asa tsy maintsy vitaina ho fanavotana ireo Malagasy maro any amin’iny faritra Atsimo iny. Izay marihina fa tanàna miisa 60 ao Ambovombe no hisitraka ity tetik’asa ity. Ny asa miandry dia ny fametrahana rafitra fanondrahana ho an’ny tany 2000 ha, famatsiana rano ho an’ny tanàna miisa 60 ary koa fametrahana toerana famatsian-drano 120 ho an’ny biby fiompy.

« Tsara rehefa halefa ny asa satria tokony efa ela no nanatanterahana itony tetik’asa itony. Hitondra tombontsoa amin’ny sosilim-bahoaka, harikarena faobe ao amin’ny faritra ary ny fambolena sy ny fiompiana manko ity tetik’asa ity. Hanampy ny mponina sy ireo mpisehatra, indrindra hanampy ireo mpisehatra hampitombony asany », hoy i Thierry, mpandinika fiaraha-monina.

Marihina moa fa efa maro ny olona niandry ny fanombohan’ity tetik’asa lehibe ity. Hirariana ny fahavitany soa aman-tsara ahafahan’ny tsirairay misitraka ny tombontso avy amin’izany. Marihina ihany koa fa ny orinasa Sinoa Top international Engineering Corporation no hanatanteraka ny asa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire