ActualitésTsidika

Foto-drafitr’asa : Efa-bolana monja no hamitana ny RN41

Nanatanteraka ny teniny ny filoham-pirenena amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 41 izay mampitohy an’ny Fandriana sy Ikelikampona. Efa miroso amin’ny asa amin’izao fotoana ny tompon’andraikiotra ary efatra volana monja no hamitana izany lalana izany. Mirefy 19 kilaometatra izany lalana ho avaozina izany ka izany indirndra no hanafaingana ny asa.

“Efa tonga ireo fampitaovana hanamboarana ny lalana ary efa manomboka ny asa. Etsy andaniny anefa dia hamboarina manotnolo io lalana io fa ireo tena ratsy na ilay antsoina hoe points noirs no tena horaisina an-tanana. Harenina ireo mila “térassement” sy ireo tena sarotra handehanana izay horakofana tara”, hoy ny Ministeran’ny asa vaventy.

Ankoatra ny fandrakofana tara ireo lalana tena ratsy dia hisy ihany koa ny fanamboarana ireo lakan-drano sy ireo tetezana izay mila fanarenana hialana amin’ny loza mety hiseho.

“Mety hamaha ny ampahany amin’ny oana sedraina amin’ity lalana ity io fanamboarana azo lazaina ho “tip-top” io aloha izany. Raha adiny 3 no hamitana io lalana 19km tonga any Ikelikampona io dia mety ho ora iray sy telopolo minitra, raha nahalany solika 80 000ariary dia mety mba ho 40 000 ariary. Vahaolana maharitra no ilainay fa maro be ny olana mbola tsy voavahan’izany”, hoy ireo mpampiasa lalana.

Efatra volana no fe-potoana hanatanterahana ny lalana sy ireo fotodrafitr’asa hivarianan’ny rano. Ny fotoam-pahavaratra no tena miteraka olana amin’io fivezivezena io ka tokony hikarohana vahaolana tsaratsara kokoa. Raha 19km no efatra volana ny famitana izany dia firy taona izany no mety ahavitana ny lalam-pirenena lehibe ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire